Nanao hetsika manan-danja ho fanohanana ny asa ataon’ireo andrimasompokonolona ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Faritra Analamanga. Nizara fitaovana manokana ho an’ny fiarovana sy fampandrenesana izy ireo, ka samy nahazo gilet sy kiririoka miisa 195 ary jiro am-paosy na « torche » miisa 26 ireo andrimasom-pokonolona 15 avy amin’ny fokontany 13 ao anatin’ny boriborintany voalohany, faharoa ary fahaefatra. Ny boriborintany fahatelo, fahadimy ary fahaenina kosa no hahazo ny anjarany anio, ary mbola hisy fizarana mitovy amin’izany ho an’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo. Mitotaly 3000 ireo gilet sy kiririoka ary 500 ireo « torche » natokana ho an’ny andrimasom-pokonolona manerana ny faritra. Nitety fokontany sy boriborintany samihafa ny Lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, nanatitra mivantana ireo fitaovana teny Anosy, Ambanidia ary Analakely omaly. Anio kosa dia ho eny Ambohimanarina, Ambatomainty ary Tsiazotafo ny fizarana. Niaraka taminy ny Prefen’Antananarivo ANDRIASY Vonjy, ny PDS an’ny Kaominina Antananarivo RALAMBOMANANA Feno, ary ny Kaomisera RAFALIMANANA Alain Adonis, izay mitarika ny filaminambahoaka eto Analamanga, niaraka tamin’ireo mpitandro ny filaminana ao amin’ny FDS. Ankoatra izany, nanolotra finday ho ampiasain’ireo andrimasom-pokonolona ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ho fanamafisana ny fifandraisana sy ny fandraisana andraikitra eo amin’ny asa fanaraha-maso ny filaminana. Nampahatsiahy ny Prefen’Antananarivo fa ny tanjona dia ny famerenana haingana ny fandriampahalemana, ka ny tsirairay no tokony ho tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Nankasitraka sy nankahery ireo andrimasom-pokonolona sy ny vaomieran’ny fandriampahalemana kosa ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, RAHARINIRINA Clémence, nanamafy fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra no antoka hahombiazana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Toky R