10 miliara dolara ho antsika raha voafehy
Volamena 100 taonina isan-taona no voalaza fa mivoaka an-tsokosoko avy eto Madagasikara makany Dubaï. Nanamafy ny maha laharam-pahamehana ny ady amin'ny fanondranana volamena an-tsokosoko ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika teny Ivato, ary nampisaintsaina fa raha manao ny asany araka ny tokony ho izy sy tena miady kolikoly ny tombon’andraikitra isan-tsokajiny, tsy tokony handadilady amin’ny mpamatsy vola isika. 100 taonina isan-taona ny volamena mivoaka eto, raha tafapetraka tanteraka ny rafitra ara-dalàna amin'ny alalan'ny « Guichet Unique d'Exportation », dia mety hahatratra 10 miliara dolara isan-taona ny vola vahiny averina eto an-tanindrazana (rapatriement de devises). Vola izay heveriny fa afaka manova betsaka ny toekaren'i Madagasikara raha tafiditra ara-dalàna ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakana. Nampitahainy tamin'ny trosam-panjakana ankehitriny izany tarehimarika izany, izay eo amin’ny 6 miliara dolara, raha 7,3 miliara dolara ny trosam-panjakana tamin'ny 31 Desambra 2025, izay mitovy amin'ny 37%-n'ny Harin-karena Faobe (PIB). Midika fa ambony lavitra noho izany ny vola mety hiditra raha voafehy ny fanondranana volamena. Anisan'ny fepetra napetraky ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny tany ny fananganana ny Guichet Unique d'Exportation eny Ivato, natao hanaraha-maso sy hanamorana ny fanondranana volamena amin'ny fomba ara-dalàna. Ny 19 Septambra no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy indray ny fanondranana volamena ara-dalàna tao amin'io foibe io. Orinasa roa manana Agrément Comptoir no nisantatra ny fanondranana voalohany, ka bolongam-bolamena telo mitotaly 2,60 kilao no nalefa tamin'izany. Ara-pitantanana, nanome baiko ny Praiminisitra hanarahana maso ireo faritra nomena fahefana amin’ny fandraisana « ristourne », izay natao mba hisian’ny fanapariaham-pahefana ny PRRM. Betsaka ny vola avy amin’ireo mpamatsy vola, mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena,… izay be dia be ny vola very, 10% ihany no makany amin’ny vahoaka, fa ny 90% voahodinkodina kanefa trosa alohan’ny Firenena. Nanome baiko ny Minisitra hoe : rehefa ny ekipa iray tsy mandresy dia soloy, misy azo asolo azy, tsy misy olona tsy azo soloina eto Madagasikara, eny fa na izaho aza, hoy ny PRRM. Asa mba manao ahoana re ny fahitan’ny PRRM ny endrika ady ara-tserasera na « guerre de communication » ao amin’ny tambajotran-tserasera toa misy endrika samy miaro ny rambony tsy ho tapaka io ?
Toky R