namitaka sy namotika fiainan’olona
Ela ny nitoratorahana ireo jiolahy miisa roa mpangalatra sady mpanolana teny Alasora ka tratra ihany. Ny alin’ny 18 Oktobra teo izy ireo no nanao ny asa ratsiny raha afak’omaly Alatsinainy 19 Oktobra hariva kosa no tratra teny Ambodin’Isotry Andranomanalina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia mpivahiny avy lavitra tsy nahita lalana no nararaotin'izy roalahy ka rehefa nanontany ny toerana tokony alehany iretsy voalohany dia nentin'izy ireo tany amin'ny toeran-kafa. Nangalarin'ireo jiolahy tsy mataho-tody tamin’izany ny finday sy ny vola ary tsy vitan'izay fa mbola naolan'ireo olan-dratsy ihany koa ny tovovavy iray tsy ampy taona. Tanana hatao andri-maso ireo jiolahy ary hatolotra ny Fampanoavana anio Alarobia 21 Oktobra rehefa vita ny famotorana savaranonando, raha tsy misy ny fiovana. Nangonin’i Pati Legende : Sahaza azy roalahy ireto ny mihidy any am-ponja !fotoam-pitsarana azy ireo. Mitohy na izany aza ny fanadihadiana hamantarana ireo olona hafa mety ho mpiray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity.
Jean D.