airtel

Fandriampahalemana

07-août-2026

Afera sy fivarotra zaza varira

Niampy 9 ireo voasambotra

Sample post image

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

07-août-2026

nahitana zandary, mpampianatra, mpiasan'ny fahasalamana,... nisambotra olona miisa 9 indray ny mpiambina manokana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, taorian’ny fikarohana sy famotorana natao tany Vangaindrano. Ireo voasambotra ireo no voalaza fa niketrika sy nandray anjara tamin’ny fanomanana hivarotra zaza varira iray. Ny vaovao azo nandritra ny fitsidihana ofisialy tany Ejipta dia nanambara fa nisy olona roa tonga teto an-drenivohitra mitady “deba” hividy ilay zaza, hoy ny tatitry ny Fiadidian'ny Fanavaozana ny Repoblika. Nidina avy hatrany tany Vangaindrano ny ekipa faharoa, nanao fanadihadiana sy famotorana. Rehefa tonga tany an-toerana, dia nisy lehilahy efatra hafa naniry haka vola amin’ny raharaha, ary nilaza fa efa nisy namany naka ilay zaza tany amin’ny toerana hafa. Voasambotra avy hatrany izy ireo ary nasaina nanondro ny trano nitazonana ilay zaza. Tao amin’ny Fokontany Andranomavo (Distrika Vangaindrano) no nahitana ilay zaza mbola velona soa aman-tsara. Nambara fa ny dadatoany ihany, mitondra ny anarana hoe Marolahy, mpampianatra ao amin’ny CEG Vangaindrano, no atidoha niketrika hivarotra azy. Efa nalainy sary mialoha mihitsy ilay zaza mba hasehony amin’ny “deba” mitady hividy. Mitohy hatrany ny fanadihadiana any an-toerana, ary efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ireo voasambotra. Farafahakeliny 16 ny ankizy albinos no nalaina sy novonoina ho an'ny 2025, ka tranga lehibe ny an’i Landricia (18 volana) tao Ankalika, Toliara. Efa 8 ny tranga fakana an-keriny no voarakitra hatramin'ny jolay 2026, ka 6 ankizy no maty ary 2 olon-dehibe mbola tsy hita. Tato anatin'ny 4 taona izao: nahatratra 30 ireo tranga fakana ankeriny varira hita faty ary tsy nisy lohany intsony, ka antony ny hakana ny masony. "Ampahafantaro ampahibemaso ny mpaniraka sy ny tompon'antoka tratra amin'ny fakana ankeriny sy famonoana varira" hoy ny filohan'ny Albinos Madagascar Soja Fulgence. Asa anterivozina mandrampahafaty no sazy tokony omena ireo izay tratra, hoy izy.
Toky R 

Dans la même rubrique

07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap