airtel

Fandriampahalemana

29-avril-2026

MORON’NY FARIHIN'ANOSY

Fatin-dehilahy iray hita

Sample post image

nihampatra omaly maraina

29-avril-2026

Nahitana fatin'olona teny amin'ny manodidina ny farihin'Anosy omaly Talata 28 Aprily maraina. Lehilahy izy io, tombanana ho 30 taona mahery ary mbola nisy gant na fonon-tanana ny tanany. Tonga tao an-tsain'ireo nanatri-maso avy hatrany noho izany fa mety ho nitondra moto Itompokolahy no nisy namono ary natsipiny teny ny vatana mangatsiakany. Nentiny ilay kofiaran-droa taorian'izany ary dia lasa nitsoaka izy. Fantatra ihany koa moa fa lasa atahorana mafy iny faritr'Anosy iny raha vantany vao alina ny andro, indrindra fa ho an'ireo mpandeha an-tongotra sy mpitondra moto hoy ireo mponina eny amin'ny manodidina. Andrasana araka izany ny fivoaran'ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana. Ireto farany rahateo no afaka manamarina izay antony tena nahafaty an'Itompokolahy marina. Efa fantatra moa ny fianakavian'ny maty, vaovao azo farany omaly hariva fotoana nanoratanay.
Nangonin'i Pati
Légende : Tsy nisy nanendaka ny fitafian'Itompokolahy tamin'ny ankapobeny !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap