airtel

Fandriampahalemana

29-avril-2026

Mahazomà Maevatanana

Olona 5 indray maty, omby

Sample post image

40 eo lasan’ny dahalo

29-avril-2026

Nampivarahotsana ny fanafihana ny fanafihana mahery vaika tao Ankijanitsivazay any Mahazomà Maevatanana, nataon’ny jiolahy nirongo basy miisa 14 ny alin’ny 26 aprily 2026 teo. Araka ny tatitra, tonga nampihorohoro ny olona sy nandroba omby manodidina ny 40 izy ireo, ka nampitondra faisana ny mponina. Nandritra ny fanafihana, nalain’ireo jiolahy ho takalon’aina ny zazalahy iray nandritra ny fandosirany, saingy voavonjy soa aman-tsara tatỳ aoriana. Vokatry ny fifandonana nahery vaika, olona 5 no namoy ny ainy. Olona 2 hafa naratra nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary. Mitohy hatramin’izao ny fanenjehana ataon’ny zandary sy ny miaramila eny an-toerana, hoy ny vaovao omaly. Taratry ny fahoriam-bahoaka vokatry ny tsy fandriampahalemana any ambany ravinkazo ny tahaka izao, izay ilàna fijerena.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap
28-avril-2026

Mangataka "postes budgétaires" sy

Card image cap
28-avril-2026

Mety hitana ny sain’ny maro ny

Card image cap