Chantal Bianca ny anaolahy ny 13 Aprily lasa teo tany Toamasina. Notsatohany ny antsy in-telo io tovovavy io saingy tsy maty fa mbola mitsabo tena kosa. Namoahan'ny Polisim-pirenena filazana fikarohana izy ka taorian’izany ka nandeha ny fikarohana. Fantatra fa misitri-belona ao amin'ny faritra iadidian'ny Zandarimaria Ampitatafika ny anaolahy ka natao izay fomba nahafantarana ny toerana misy azy. Ny Zoma 23 May lasa teo izy no tratra tao amin’ny trano niafenany tao Ambohijafikely Fokontany Atsimombohitra, kaominina ambanivohitr’ Ampitatafika.Tonga naka azy tao amin'ny biraon'ny zandarimaria Ampitatafika ny Polisim-pirenena Toamasina ary ho tsaraina vokatry ny heloka vitany izy aorian'ny famotorana hatao azy any an-toerana.
Pati
Legende : Tovolahy tsotra jerena ivelany fa mahavita mamono olona i Johary !
Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty
Roalahy no tompon’antoka, tratra tao anaty taxi-brousse Lehilahy