airtel

Fandriampahalemana

29-févr-2024

Andekaleka

Dahalo 10 tamin'ny 18 voasambotra ny alina teo

Sample post image

Nafampana ny toe-draharaha ny tany Andekaleka any amin'iny tapany Atsinanan'ny Nosy

29-févr-2024

iny omaly alina. Dahalo miisa 18 lahy no voalaza fa saika hanafika tanàna, saingy nihetsika ny fokonolona. Nisy ny fiaraha-miasa tamin'ny COSPN Madarail, ny zandary miandraikitra ny PK 206. Vokany, voasambotra ny 10 lahy, ary tafaporitsaka ny 8, raha ny tatitra vonjimaika. Nahatratrana basy mahery vaika PA (Pistolet Automatique) iray tany amin'ireo dahalo, raha ny tatitra nataon'olon-tsotra. Efa am-pelantanan'ny manam-pahefana ireo 10 lahy ka andrasana ny tohiny. Endrika maneho izao fa tena miha mahery vaika ny tsy fandriampahalemana. Vao tapa-bolana teo no nikoropaka ny tao Manjakandriana fa hoe: misy andian'olona nahiana ho dahalo. Ny tetsy Alasora distrikan'Avaradrano ny faran'ny herinandro dia nisiana fanafihana mihitsy ka nisy iray matin'ny fokonolona kanefa dia mbola nanam-pahasahiana ny namany miverina hanao valifaty. Ny any amin'ny faritra Ankazobe sy Anjozorobe moa dia mbola mangotraka satria voalaza fa nisy fakana an-keriny olona 11 indray ny faran'ny herinandro teo,... Ampahany ireny fa tena saika manerana ny Nosy no mandry tsy lavo loha ny vahoaka. Misy foana ny tsy fandriampahalemana saingy tsikaritra ho mangotraka kokoa rehefa akaiky fifidianana. Fifandrifian-javatra ihany ve? Tsy finiavana hanakiana fa toa tsy arakaraka ny fizarana gradina jeneraly mirarakopana. Ny mpitondra sy sezany ary ny fananany milamina fa ny an'ny vahoaka rehefa tsy ampahorian'ny fahantrana dia andihizan'ny jiolahy sy ny dahalo satria tsy misy mpiahy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap