airtel

Fandriampahalemana

27-févr-2024

ANDOHALO

Misy manendaka amin’ny andro atoandro

Sample post image

Lasa faritra mena tanteraka ny tananan’Andohalo.

27-févr-2024

Tsy mifidy fotoana intsony ireo mpangalatra sy mpanao sinto-mahery fa na dia amin’ny andro atoandro aza dia manao ny hataony.Ankizivavy kely iray hamonjy fodiana no nifanehitra tamin'ny mpanendaka ny Sabotsy lasa teo tokony tamin'ny 4 ora folakandro teny amin’iny faritra iny. Niantso vonjy avy hatrany ity ankizivavy ity rehefa niharan'izany asa ratsy izany, ka henon'ny Polisy nanao fisafoana teny manodidina. Nifanenjehana avy hatrany ilay mpanendaka, ka tratra tsy lavitra teo. Mbola tratra teny aminy tokoa findain'ilay ankizivavy ka naverina amin'ny tompony avy hatrany. Notanana teny amin'ny birao moa ilay jiolahy nahavanon-doza raha natolotra ny fitsarana omaly kosa. Fantatra fa vao 19 taona monja ilay mpanendaka nefa efa tena voky traikefa amin’izany asa ratsy izany tokoa.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo mpanendaka eny Andohalo tratra ity tovolahy ity !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap