airtel

Fandriampahalemana

25-mars-2024

Andraisoro

Ireo voaendaka indray no tratry ny fitsaram-bahoaka

Sample post image

Misy antony matoa voararan'ny lalàna ny fitsaram-bahoaka,

25-mars-2024

satria tena mety ho zava-doza ny aterany. Tahaka izany ity tranga iray teny Andraisoro : Tovolahy roa, mpianatry ny Oniversite, no nisy nanendaka teny an-dalana hamonjy fodiana, eny Andraisoro, Boriboritany fahadimy, Antananarivo Renivohitra rehefa avy nianatra ny sabotsy 23 martsa hariva teo. Tsy nanaiky mora foana izy roalahy fa nanenjika ilay mpanendaka, satria lasa tany ny findain'izy ireo, ilay mpanendaka indray anefa no niantso vonjeo, efa teknika fampiasan'ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery izy. Nanaitra ny olona manodidina izany, ka dia izy roalahy traboina izay nanenjika ilay mpanendaka naka ny finday indray no niharan'ny fitsaram-bahoaka sy voadaroka ka naratra mafy tsaboina any amin’ny HJRA ny iray. Tsy hamela ho vitavita ho azy ny zava-misy izahay hoy ny fianakavian'ireto mpianatra. Mitsabo izahay izao, saingy hitondra ny raharaha eny amin'ny Fitsarana, hoy izy ireo. Ny zava-nisy teto izany dia tsy mahalala izay tena fototry ny olana akory ny olona teny amin'ny manodidina fa rehefa nahita roalahy nanenjika lehilahy iray dia ny hanao fitsaram-bahoaka sy hidaroka ireo roalahy no tonga tao an-tsaina, izy roalahy anefa nanenjika ilay mpangalatra ny findain'izy ireo. Mazava ho azy eto fa raha mitory tokoa ny fianakavian'ireo naratra ary voaporofo fa niharan'ny fanendahana marina izy ireo dia ho avy ny fisamborana eny Andraisoro eny noho ny daroka sy vono niniana natao.
Nangonin'i RTT
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap