airtel

Fandriampahalemana

05-mars-2024

ANDRAMBATO ITAOSY

Lehilahy iray hita faty, tapa-doha sy tapa-tongotra

Sample post image

Lehilahy iray tombanana ho 30 taona mahery na 40 taona eo ho

05-mars-2024

eo no hita faty tao an’elakelam-pasana teny Andrambato Itaosy, distrikan’Atsimondrano omaly Alatsinainy 05 Martsa tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro. Toy ny notapahana ny lohany raha ny fahitana azy teny an-toerana. Tapaka ihany koa ny tongony ilainy ary efa tsy nisy fitafiana nandrakotra intsony ny tapany ambany. Efa somary simba ny razana vokatr’izany. Efa nitangoronan’ny lalitra mantsy ity lehilahy ity noho ny faritra toy ny tapaka na goaka teo amin’ny tendany. Olona sendra nandalo nahare ny fofona no nampandre ny tompon’andraikitra sy ny fokonolona. Fantatra tamin’izany fa mbola tsy nisy trangana vono olona nampatahotra tahaka izao teny Andrambato Itaosy efa taona maromaro lasa izay. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : tena vono olona marina ve no nahazo ity lehilahy ity sa nohanin’ilay biby izay voalaza fa efa nandratra olona teny Beravina Itaosy ? Hatreto mantsy dia mbola tsy mandry hatrany ny sain’ny mponin’Itaosy, antony mampiely ny feo indray omaly fa lasa faritra mena ny tanana ka tokony samy hitandrina ny rehetra. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka tena hanamarina izany na tsia.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay razana hita omaly !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap