airtel

Fandriampahalemana

09-janv-2024

ANDRANOMIELY ANKAZOBE

Maty notifirin'ny dahalo ny Ben'ny tanàna

Sample post image

Mbola mitohy ny tsy fandriampahalemana ao anatin’ny distrikan’Ankazobe.

09-janv-2024

Afak’omaly Alahady 07 Janoary alina dia niakaran'ny dahalo indray ny kaominina Andranomiely. Tsy naka olona na omby ireo andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana ireo fa ny Ben'ny tanàna no nokarohan'izy ireo. Rehefa hitan'ireo dahalo Ingahy Ben'ny tanàna dia tsy nisy indrafo fa avy hatrany dia notifiriny tamin’ny basy. Nandrika ny rà vokatr’izany ary maty teo no ho eo Ingahy Ben'ny tanàna. Nandositra kosa ireo dahalo taorin'izany. Niezaka nanenjika ireto farany ny mpitandro filaminana ka nisy ny dahalo voatifitra saingy mbola nentin'ireo namany nandositra ihany ary mbola tsy hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Mbola nitohy omaly tao Kiangara kosa ny fampandrian-tany nataon'ny mpitandro filaminana izay namoriana ireo vatan-dehilahy rehetra tao amin'ny kaominina hahafahana miady amin’ity vono olona sy fakana an-keriny ary fandrobana tanana ao Ankazobe ity.
Pati
Legende : Tsy milamina ny tananan’Andranomiely !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap