Miaraka amin’ny antsy maranitra mihitsy ireo mpanendaka mandritra izany ary mikendry vehivavy somary kelikely aina tara fodiana. Manoloana izany dia nametraka ny paikadiny ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina nandefa mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily teny an-toerana. Lehilahy iray vao 23 taona no tratra ambodiomby nanendaka olona teny amin’iny faritra iny vokatr’izany ny sabotsy 14 janoary teo. Avy hatrany dia noentina teny amin’ny kaomisarian’i Mahamasina ity farany nanaovana fanadihadiana. Raha araka ny fanazavany dia vokatry ny tsy fananany asa no nanosika ity lehilahy ity hanendaka tahaka izao. Maro adidy anefa izy hoy hatrany ny fitarainany.
Pati
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.