airtel

Fandriampahalemana

27-juin-2023

Fandriampahalemana

Anosiarivo Manjakandriana Ny olona nifety, izy efa-dahy namaky fasana

Sample post image

Lehilahy miisa 04 no tratran'ny fokonolona teo am-pamakiana fasana iray tao Anosiarivo Manjakandriana omaly alatsinainy 26 jona ,

27-juin-2023

fotoana nanamarihana ny tsingerin-taona faha-63 niverenan’ny fahaleovantena. Vantany vao nahita ity tranga famakiana fasana sy fangalarana taolam-paty ity ireo mponina dia nampandre ny polisim-pirenena. Na izany aza saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ihany izy efa-dahy ireto noho izy ireo nanararaotra ny vahoaka variana nanao fety. Nosamborina avy hatrany izy ireo noho izany ary noentina namonjy toeram-pitsaboana noho ny ratra izay nahazo azy . Araka voalazan'ireo nahita ny zava-nitranga dia lehilahy miisa 05 no nanao izao asa ratsy izao fa ny iray kosa tafaporitsaka. Mitohy moa ny fanadihadiana mikasika izay tena ati-doha niketrika izao vaky fasana tamin’ny andro fety tany Manjakandriana izao.
Pati
Legende : Efa naradratra tahaka izao izy efa-dahy
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap