airtel

Fandriampahalemana

29-août-2022

Fandriampahalemana

Anosibe Andrefana Zazalahy 16 taona karamaina 2 000 Ar mba hividy "héroïne"

Sample post image

Mahazo vahana tanteraka ny fivarotana sy ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika toy ny heroine eto amintsika.

29-août-2022

Zazalahy kely iray vao 16 taona monja no fantatra fa karamaina 2.000 Ar isaky ny mandeha mba hividy rongony mahery vaika (héroïne) ao anatin’ny Fokontany Anosibe Andrefana. Rehefa tamana mahazo vola amin’io fividianana heroine io io tovolahy kely io dia nitarika ireo namany ihany koa ka tafakatra enin-dahy izy ireo. Miara-mifoka izy ireo no sady mitsindrona ihany koa hoy ny vaovao nefa irakiraka mandeha miantsena maka héroïne eo Anosibe no tena asan’ny iray. Manempotra mihitsy ny fofon-drongony havoakan’izy enin-dahy noho izany ka velon-taraina ny manodidina. Tsy misy sahy miteny azy ireo rahateo ny rehetra noho ny vava mahery havoakany sy ny tahotra ny amin’ny mety hovonoiny. Mahavita manolana sy manapitra aina mihitsy mantsy ireo olona mandray zava-mahadomelina. Efa nosamborin'ny polisin'ny STUP moa izy ireo ary efa naiditra am-ponja eny Antanimora tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap