airtel

Fandriampahalemana

20-avril-2026

ANOSIBE

Maty voatifitra teo

Sample post image

am-panendahana vehivavy ilay jiolahy

20-avril-2026

Mpanendaka iray no.lavon'ny balan'ny polisy teny Anosibe omaly Alahady 19 Aprily vao maraimbe. Anisan'ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery nampikaikaika ny mpandalo sy ny mponina eny Anosibe izy io saingy rehefa nifanehatra tamin'ny Polisim-pirenena manao fisaofoana dia nifarana teo ny asa ratsiny. Nisy ny hetsika manao fanamiana sivily niarahan'ny Polisin'ny CUI, UIR ary ny CSP 5 Mahamasina ka teo am-panendahana vehivavy mpivarotra naka entana maraina izy no tratra ambodiomby.Rehefa hisambotra azy ny Polisy dia namoaka antsy ity jiolahy ity, nikasa hanohitra mpitandro ny filaminana. Tsy maintsy niaro tena noho izany ireo mpitandro ny filaminana ka maty voatifitra ilay mpanendaka efa malaza ratsy ity. Fantatra fa nisy namany niaraka taminy tamin'io fotoana io fa tafaporitsaka tany anaty elakelan-trano. Efa karohina ity farany hatramin'ny omaly maraina.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
24-août-2026

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

Card image cap
21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap