airtel

Fandriampahalemana

07-déc-2022

Fandriampahalemana

Anosibe Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpangala-jaza

Sample post image

Aleo samy mailo tsara amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Tsy hay fantarina intsony mantsy ireo tranga mety hiseho ka mety hahazoan’ny sasany

07-déc-2022

vola hanaovany fety ankoatra ny fisolokiana sy ny fanendahana ary ny fanaovana sinto-mahery. Vehivavy iray omaly no tratra nangala-jaza teny Anosibe teny, Boriborintany fahaefatra. Raha araka ny vaovao niparitaka teny an-toerana dia zaza nandeha irery ity nalainy ity. Tsy notazoniny teny aminy anefa io zaza io rehefa nitomany fa nampitainy tamin’ny namany iray hafa, antony nahatsikaretan’ny fokonolona ny teti-dratsiny. Nisahotaka saika hamono azy ny fokonolona noho izany ka voatery naterina tao amin’ny Fokontany izy ho fiarovana ny ainy. Tsy vitsy mantsy ireo efa niantsoantso fitsaram-bahoaka. Nitohy tamin’ny fikarohana ny naman’ity vehivavy mpangala-jaza ity ny fokonolona taorian’izany
Pati
Legende : Ity tsara ambin’ny polisy ityailay vehivavy tratra nangala-jaza
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap