airtel

Fandriampahalemana

17-janv-2023

Fandriampahalemana

ANOSIBE Zaza tsy ampy taona no namaky fitoeran’entana

Sample post image

Fitoeran’entana ana tranom-barotra lehibe iray etsy Anosibe omaly alatsinainy 16 janoary no nisy namaky tamin’ny andro atoandro.

17-janv-2023

Tovolahy roa izay vao 17 taona ny iray no tratra ambodiomby nanao izany. Ny Polisin’ny « Service Anti-Gang » na ny SAG Anosy no nisambotra azy ireo rehefa naharay antso avy amin’ny tompon’ity tranombarotra iray ity. Tsy lavitra ilay tsenany mantsy io fitoeran’entana io. Telolahy moa izy ireo raha araka ny fantatra saingy tafatsoaka kosa ilay namany iray hafa izay tombanana ho mbola tsy ampy taona ihany koa. Natolotra ny sampana PMPM etsy Tsaralalana izy toalahy ireto nanohizana ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa saika mirona any amin’ny asa fanendahana sy famakiana trano tahaka izao ny ankamaroan’ireo zaza tsy ampy taona eto amintsika raha vantany vao miala amin’ny fianarany.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap