airtel

Fandriampahalemana

23-avril-2026

ANOSIMASINA ITAOSY

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

Sample post image

Mamono olona hatrany ny moto

23-avril-2026

na ny kodiaran-droa eto amintsika. Tovolahy kely iray vao 18 taona monja no fantatra fa matin'ny fitaingenana kodiaran-droa ny Alatsinainy 20 Aprily lasa teo teny Anosimasina Itaosy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tokony ho tamin'ny 10 ora alina tany ho any no nitrangan'ny loza. Tsy fantatra mazava izay zava-niseho fa ilay tovolahy kely efa tsy nahatsiaro tena intsony no sady naratrabe nisy nahita. Nentina niala nenina tany amin'ny hopitaly izy hoy ny vaovao saingy tsy tana ny ainy. Tsiahivina hatrany moa fa mahatratra 10 isan'andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifampivoizana eto amintsika. Avy amin'ny mpamily ny 20%-n'ny antony mahatonga izany raha avy amin'ny olana ara-teknika mahazo ny fiara na moto ny 80% ambiny.
Pati
Légende : Betsaka ireo zatovo matin'ny moto eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

6 nidoboka am-ponja, iray tarika amin'ny 73kg...

Card image cap
18-sept-2026

Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro

Card image cap
18-sept-2026

vadiny dia namono ten izy

Card image cap
18-sept-2026

Nampidirina am-ponja vonjimaika

Card image cap
17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap