airtel

Fandriampahalemana

09-avril-2024

Anosizato

Vehivavy nangalatra sô naratran’ny olona

Sample post image

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona mahery eo ho eo no fantatra fa naratran’ny olona

09-avril-2024

rehefa nangalatra sceau-n’olona iray teny Anosizato ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ity Renim-pianakaviana ity rehefa tratra fa noho ny hanohanana sy ny tsy fananana asa no nanosika azy hangalatra ilay sceau mba hividianany sakafo ho an’ny zanany. Betsaka ireo nangoraka azy noho izany ka nampitsahatra ilay fikasihan-tanana nefa tao koa no tezitra. Mbola misy mantsy hoy ny sasany ny asa azo hatao mba hidiram-bolakely hividianana sakafo ho an’ny zanaka toy ny sasa lamba, ny tsaka ranon’olona fa tsy voatery hangalatra tahaka izao. Navotsotr’ilay tompona sceau ity vehivavy ity noho izany rehefa voaanatra sy nahazo fampitandremana. Nambaran’ireo mponina eny Anosizato moa mirongatra fatratra amin’izao ny hala-botry eny amin’iny faritra iny vokatr’izay tsy fananan’asa mahazo ny olona izay.
Pati
Legende : Tsy mandry fahalemana intsony koa ny ety Anosizato !
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka

Card image cap
07-févr-2025

Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora

Card image cap
06-févr-2025

Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty

Card image cap