airtel

Fandriampahalemana

23-avril-2024

Anosy

Nisy trangana fanendahana hafakely

Sample post image

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

23-avril-2024

hoy ny fijoroana vavolombelona nataona tovolahy iray. Tokony ho tamin'ny 12 ora atoandro teo no niala taxibe teo Anosy ny tenako no indro nisy lehilahy iray mbola tanora nanontany ahy raha toa ka mpianatry ny oniversite iray tsy miankina eto Antananarivo ny tenako, hoy izy. Namaly moa aho hoe tsy mianatra intsony fa efa miasa. Namaly ilay olona hoe ny antony anontaniako anao an’izany manko dia ny zokinay nisy namono ka tena mitovy aminao tanteraka ilay olona namono azy. Itsy «cousin»-anay itsy am-pita itsy efa miandry fotsiny hamono anao fa izaho nanatona aloha fa sao manaotao foana. Namaly moa ny tenako hoe tsy izaho izany. Niangavy ahy izy hoe mipetraha eo amin’ny toerako ianao ramose! Raha ny iray tampo aminao no misy mamono ve tsy halahelo ianao? Mba miangavy anao mba hiaraka amiko fa tiako mba hamarinin’ilay zandrinay fotsiny ny tarehinao. Raha tsy ianao ilay namono dia ateriko miverina ety ianao sady amin’izay koa tsy vonoin’ilay «cousin»-anay izay miandry anao io fotsiny. Nanaraka moa ny tenako ka tonga teny Ampefiloha teo amin’ny lalamby. Nisy bandy roalahy nanakana ny tenako ka nanambana antsy ahy sy nilaza hoe omeo daholo izay any aminao any! Tao anaty tahotra moa ny tena ka tsy maintsy nanome finday sy vola taty amiko. Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ka tantaraiko eto ny zavatra nahazo ahy mba hitandreman’ny rehetra. Ho anao zoky, raha hitanao ity hafatro ity dia mahasoava raha mahasoa anao iny finday iny fa na ho ela na ho aingana, tsy maintsy mahazo tsara noho iny aho kanefa tandremo fa 99 andro ny anjaran’ny mpangalatra fa ny 1 andro an’Andriamanitra, hoy hatrany ity tovolahy lasibatry ny fanendahana ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nitrangana vaky fasana tao Ambohimamory, Fokontany Ankarenana,

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana toe-javatra mampalahelo teo Analakely akaikin’ny Gastro Pizza ampitan'ny Le Glacier omaly alarobia 01 mey 2024.

Card image cap