ny distrikan'Atsimondrano. Notanterahina omaly Alatsinainy 03 Aogositra tao amin’ny Kaomisaria Foibe Atsimondrano Tanjombato ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny Commissaire principal de Police Iarinirina Alain José, lehiben’ny Kaomisaria Foibe Atsimondrano teo aloha, izay voatendry amin’ny andraikitra hafa, sy ny Commissaire de Police Ravelotahiana Mika Olivier, izay nandray tamin’ny fomba ofisialy ny fitantanana ny Kaomisaria Foibe Atsimondrano. Nanome voninahitra sy nanatrika ny lanonana ny Lehiben’ny Distrikan’Antsimondrano, Andriamatoa Ratiarison Rostand Patrick, ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana, Rakotoniaina Frédéric, ary ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Principal de Police Rafalimanana Alain Adonis. Niarahaba sy nirary fahombiazana ny lehiben’ny Kaomisaria vaovao izy ireo amin’ny fanatanterahana ny adidy sy andraikitra miandry azy. Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia nilaza ny Commissaire de Police Ravelotahiana Mika Olivier fa ho laharam-pahamehana tokoa araka ny Politikam-panjakàna ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny vahoaka, ho fanamafisana ny fandriam-pahalemana maharitra amin’ny fametrahana paikady matotra. Manerana ny kaominina 26 mandrafitra an'Atsimondrano no hanatanterahana izany.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny famindram-pahefana notanterahina omaly !