airtel

Fandriampahalemana

13-mars-2025

Antananarivo renivohitra

Toerana maro no efa faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana

Sample post image

Fifohana sy fitazomana zava-mahadomelina, sinto-mahery , haro-paosy, halatra,

13-mars-2025

fanafihana mitam-piadiana, fikambanan-jiolahy, fanaovana herisetra, filokana an-dalambe. Ireo amin’ny ankapobeny no fandikan-dalana tena ataonireo jiolahy eto Antananarivo renivohitra raha raisina amin’ny tattra navoakan’ny polisim-pirenena. Olona miisa 23 izao no voasambotry ny avy ao amin’ny polisim-pirenena nanomboka ny alatsinainy teo ka hatramin’ny omaly alarobia.
SARY 1
Tena mbola tanora , latsaky ny 25 taona ny fahitana ireo mpanao asa ratsy, misy no izay vao tafaroboka fa misy ireo efa mpamerin-keloka. Amin’ny ankapobeny dia tena mila fahamailoana ny fandehanana amin’ny faritra rehetra eto an-drenivohitra satria efa tena miparitaka ny andian-jiolahy ary miasa maraina, atoandro, hariva alina.Izay no antony tsy maintsy anoavan’ny polisim-pirenena hetsika manokana na ny hetsika « BEMIDINA » amin’izao fotoana.
SARY 2
Ny fanirinay hoy ny mponia dia tena mba mitety fokontany matetika, isan’andro ny mpitandro filaminana fa tena efa mitaintain-dava sy matahotra izahay. Ny kely ananana indray no mbola robain’ireo jiolahy. Raha toa ka mamaly na miaro tena , tsy misalasala tena mamono mahafaty mihitsy ireo mpanao asa ratsy. Raha ny fahitana azy ireo dia maro no tsy tena tompion’ny tenany intsony toa entin-javatra iznay hoy ireo olona efa lasibatra, ary rehefa azon-tahotra izay koa moa tsy mahetsika fa dia manaiky izay tenin’ireo jiolahy.
RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap