airtel

Fandriampahalemana

18-janv-2024

ANTANETY MAHAZAZA

Mpangalatra taom-paty roa maty voatifitra

Sample post image

Lehilahy miisa 04 niloloha gony feno zavatra no nifanehitra tamin’ireo zandary

18-janv-2024

mpanao fisafoana tao Mahitsy ny Talata nifoha omaly Alarobia 17 Janoary alina tokony ho tamin’ny 12 ora tao Ambodidranomanga, kaominina Antanety Mahazaza. Rehefa nanaraka azy ireo ny zandary dia nirifatra nitsoaka niaraka tamin’ilay entam-be izy ireo ka tsy namelàn’ireo zandary raha tsy tratrany no sady nosavainy. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’iny lalana mizotra mankany amin’ny Monastera iny vokatr’izany. Nanapoaka basy ny iray tamin’ireo jiolahy. Tsy maintsy namaly kosa ny zandary ka lavo tamin’izany roalahy. Ireo namany roa hafa nitsoaka tsy hita ka mbola tsy tratra hatramin’ny omaly hariva. Taolam-paty no fantatra fa tratra tao anatin’ireo gony miisa roa nololoavin’izy efa-dahy saingy tsy mbola fantatra kosa ny toerana nakany azy. Mitohy ny fikarohana ireo namany sy ny fianakavian’ireo maty voaviravira.
Pati
Legende : Santionany tami’ireo taolam-paty tratra !

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap