airtel

Fandriampahalemana

08-févr-2024

ANTANIMIEVA MOROMBE

Lehilahy niasa teny an-tanimboly, nisy naka ny masony

Sample post image

Lehilahy iray manodidina ny 50 taona indray omaly no fantatra fa nisy naka

08-févr-2024

ny masony roa raha iny izy mbola variana niasa teny an-tanimboly iny tany Antanimieva, distrikan’i Morombe. Raha araka ny fantatra dia efa niandry ity lehilahy ity efa ho roa maromaro ny fianakaviana saingy tsy niverina nody izy na efa tokony hisakafo atoandro aza. Nisy tamin’ireto farany noho izany no ohatra ny notsindrian-javatra ka lasa nijery io lehilahy io saingy indrindra fa vatana efa tsy nisy fofon’aina intsony no hitany. Efa tarehy nihosin-dra ihany koa no nifanatrika taminy narahin’ny masony roa efa tsy teo amin’ny toerany intsony. Hikiaka ny an’ilay fianakaviana nahita ny zava-nitranga saingy efa tsy nisy azo natao intsony. Hamidin’ireo mpanao ratsy hatrany amin’ny 2tapitrisa Ar moa ny voamaso roa raha araka ny fantatra hatrany, antony mampahazo vahana ny vono olona mifandraika amin’izany.
Pati
Legende : Ity ilay Rangahy maty nalana voamaso tany Morombe !
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap