Tratra ambodiomby mihitsy ilay ranamana io rehefa mbola variana niketrika sy nikenonkenona ny asa ratsy hataony nefa nisy nahita. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy teny Antaniavo ity farany nanaovana fanadihadiana ka fantatra tamin’izany fa tsy an’asa izy nefa mamelom-bady aman-janaka. Be adidy ihany koa nefa tsy manan-komena ka lasa manatevin-daharana ireo mpangalatra. Natolotra ny fampanoavana ny 12 jona teo moa ity olon-dratsy ity kanotanana amponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora. Tsiahivina moa fa saika tsy an’asa avokoa ireo olona tratra mangalatra sy manendaka eto amintsika amin’izao ankoatra ireo efa mpamerin-keloka.
Nangonin’i Pati
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.