airtel

Fandriampahalemana

10-juin-2024

ANTSIRABE

Zaza tsy ampy taona sady tsy salama saina voaolana

Sample post image

Tovovavy kely voalaza ho tsy dia salama saina loatra no fantatra fa naolana tovolahy iray 17 taona tao Mamokely

10-juin-2024

Fokontany Tsarafara, kaominina ambanivohitr’ Ambano Distrikan’ Antsirabe II, ny 06 Jona lasa teo. Raha araka ny fantatra dia nitaraina tamin-dReniny ity tovovavy kely ity ka nentin’itsy voalohany nanatona mpitsabo.Voalazan' ny mpitsabo tamin’izany fa niharan'ny herisetra ara-nofo tokoa ilay tovovavy kely. Nosamborin'ny zandary ao Andranomanelatra avy hatrany ilay tovolahy voalaza ho nahavita izany tranga fanolanana izany. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela moa ny raharaha. Nomarihin’ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana moa fa ny fikasana hanolana, na nisy ny fidiran'ny filahiana anaty fivavaviana na tsia dia mitovy avokoa ny sazy azon’ilay olona voakasika.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana izay hotsaraina tsy ho ela !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap