Zandarimariam-pirenena teo anivon’ny Kaompania Imerina Centrale omaly 26 martsa 2023. Malaza tamin’ny asa ratsy sy ny fampihorohoroana tany amin’ny Distrikan'Anjozorobe, Ankazobe, Ambohidratrimo ary Tsaratanàna (Andriamena) tamin'ny fakàna an-keriny sy halatromby. Izy sy ny namany ilay nandoro olona velona ka nahafaty olona 33 avy amin'ny fianakaviana iray tao Ambolotarakely Ankazobe ny 29 jolay 2022. Nanafika tao Amboara, kaominina ambanivohitra Antanetibe Anativolo, distrika Anjozorobe izy ireo ny sabotsy 25 martsa 2023. Olona 4 no maty vokatr'izany. Nisy avy eo ny fanarahan-dia nataon'ny Zandary avy ao amin'ny Zana-tobim-paritra Antanetibe Anativolo sy ny fokonolona ka raikitra ny fifandonana teo anelanelan'ny Anditinina/Soarano, fokontany Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Antanetibe Anativolo sy Befihatra, fokontany Anosikely, kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, araka ny fanazavan’ny zandarimaria. Voatifitra tamin'io fifandonana io i IARISY saingy mbola nentin'ireo namany nitsoaka. Omaly alahady kosa ny fatiny vao hita, ka efa nentin'ny fokonolona ao Belavabary, kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, distrika Anjozorobe izay misy ny tanindrazany, raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimatriam-pirenena hatrany.
Toky R
Nahonena ny nahita an'ireo Ray aman-dRenin'ilay zazalahikely vao herin-taona
Mihoatra ny 10 hatreto ireo jiro manazava ny lalambe nisy nangalatra
Efa mitady hevitra hahazoam-bola avokoa ny olona rehetra amin’izao.
Tsy milamina ny ao Manja, ambanivohitr’i Morondava, 190 km atsimon'i Morondava,
Lehilahy iray 38 taona no tra-tehaka nanararaotra namaky fiaran'olona teo an-tokontanim-piangonana
Nirefotra ny basy omaly 4 desambra tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina tetsy Namontana,