Rava mantsy ilay fanafihana saika hataon’ireo jiolahy. Tranon'olon-tsotra iray no nokasain'ireo jiolahy hidirana, raha tsiahivina.Vao nahare antso fanairana ny kaomandin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Andranomadio dia nandefa ekipa avy hatrany.Nanao tari-dositra ireo jiolahy vokatr’izany ary nanapoaka basy in-droa. Nitsoaka tany anaty kirihitra izy ireo taorian’izany ka tsy hita intsony.Tsy nisy ny entana very. Tsy nisy aina nafoy na naratra. Tsiahivina moa fa tsy ao Antsirabe ihany fa saika manerana ny faritra maro mihitsy ny fanafihan-jiolahy matetika tahaka izao ka ilana fitandremana.
Nangonin’i Pati
Legende :Voasoroka ny fanafihana, nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.