Efa misy mihitsy ny toerana natokana hametrahana azy ireny noho izany ka samy mitadidy ny azy ny tsirairay na kely na lehibe. Ny nahavariana ireo mpino tao amin’ny fiangonana zandriny iray teto an-drenivohitra anefa dia misy hatrany ireo kapa na kiraro very isaky ny sabata ary handrenesana fitarainana hatrany izany. Nisy araka izany ny fanaraha-maso nataon’ireo tompon’andraikitra ka telolahy no indray tratra tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mbola tratra nitazona ilay kapa nangalariny ny iray raha mbola iny nifantoka tsara tamin’ny fotoam-pivavahana iny kosa ilay mpino tompony. Tsy nitory azy ireo moa ny mpino tao amin’ity fiangonana zandriny fa avy hatrany dia nanolotra azy ireo tamin’ny manampahefana kosa mba tsy hamerenany ny ratsy fanaony intsony.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telolahy mpangalatra kapa any am-piangonana
Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.
Avotra soa aman-tsara ilay tovovavy 19 taona nisy naka an-keriny ny 4 janoary 2023 lasa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomisa, distrikan’Anjozorobe, raha ny fampitam-baovao voaray.
Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.