airtel

Fandriampahalemana

09-oct-2023

AVARATR'IALASORA FANDRIANA

Renim-pianakaviana hita faty tao anaty dobo

Sample post image

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 39 taona eo ho eo omaly Alahady 08 Oktobra atoandro no hita faty tao

09-oct-2023

amin’ny dobon'ny mpianatra ao amin'ny Fokontany Avaratr' Ialasora, distrikan’i Fandriana. Olona teo amin'ny manodidina ihany no nahita ny razana izay mbola tao anaty rano, raha araka ny vaovao azo. Nampandre ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo tao Fandriana avy hatrany ny fokonolona nizaha ny razana. Raha araka ny fantatra dia efa niboridana ny tapany ambany tamin-dRatompokovavy, nisy faroratra nivoaka ny vavany ary misarita-bolo izy. Tsy nahitàna dian-kapoka kosa ny vatany. Ahiahian'ny mpitsabo ny mety nisian'ny fanapoizinana sy fanolanana nanjo ity vehivavy ity. Marihana fa manan-janaka roa Ratompokovavy. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo an-dRatompokovavy !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap