airtel

Fandriampahalemana

27-févr-2024

Be galona 30 nakarina grady

Ho an'ny Tanindrazana sa hiaro mpitondra fotsiny ?

Sample post image

Nontontosaina omaly 26 febroary 2024 teny Ampahibe ny fanolorana ireo

27-févr-2024

Jeneraly nahazo laharam-boninahitra 30 avy amin'ny tafika Malagasy. Miisa 02 ireo nahazo ny laharamboninahitra "Général de Corps d'Armée", dia ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara Andriamitovy. 11 mirahalahy kosa ireo « Général de Brigade » nisondrotra ho « Général de Division » ; ka ny 07 amin'ireo dia Manamboninahitra Jeneraly avy amin'ny Tafika Malagasy, ary ny 04 kosa dia avy amin'ny Zandarimariam-pirenena. 17 ihany koa ireo Manamboninahitra Kôlônely nahazo ny laharamboninahitra Jeneraly « Général de Brigade », ka ny 11 avy amin'ny Tafika Malagasy, ary ny 06 kosa avy ao amin'ny Zandarimariam-pirenena. Anisan’ny teboka lehibe mahatonga amin’izao laharam-boninahitra izao ny fananana fitondra-tena mendrika sy ny mahaolon-kendry, ka ohatra amin’izany ny maha lavitry ny kolikoly ary ny mampamiratra azy eo amin’ny asa sahaniny, hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny general de corps d’armée, Monja Delphin Sahivelo. Nambara ihany koa fa mifanindran-dàlana amin’ny fanatanterahana ny politika ankampoben’Ny fitondram-panjakana ny fahazoan’ireto manamboninahitra ireto galona. Manana andraikitra manampy amin’ny fanatanterahana ny andry telo iankinan’io politikam-panjakana io ireto Jeneraly ireto dia ny fampiroboroboana ny mahaolona, ny fampiroboroboana ny famokarana, fametrahana fanjakana tsara tantana ary ny ady Amy kolikoly, hoy kosa ny minisitra misahana ny zandarimaria, ny general de corps d’armée, Andriantsarafara Rakotondrazaka. Nambara noho izany fa natao hiaro ny andrim-panjakana mijoro ary tokony ho modely eo anivon’ny miaramila rehetra ary eo anivon’ny vahoaka Malagasy ny manam-boninahitra. Tsy finiavana hitsikera fa isan’ireo firenena manana jeneraly betsaka indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara, saingy henjana ihany koa ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy fa tsy arakaraka izany. Tsikera matetika mandeha ary hita taratra ny fampisana ny mpitandro ny filaminana amin’ny lafiny politika na « politisation de l’armée » ka lasa miteraka tsikeran’ny mpandinika fa karazana pi-maso mba ho fiarovana ny mpitondra ny fizarana galona mirarakopana. Na izany na tsy izany dia mariky ny fiandrianam-pirenena ny tafika. Niandry ity fampiakarana galona ity izany vao ho voatendry ny Lehiben’ny Etamazaoro vaovaon’ny tafika sy ny Kaomandy ambonin’ny zandarimaria ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap