airtel

Fandriampahalemana

20-févr-2024

Ben’ny tanàna maty notifirin’ny zandary

Miampanga ny eveka iray ny fianakaviana

Sample post image

Nampiaka-peo sady manao antso avo amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

20-févr-2024

sy ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny fianakavian'ny ben'ny tanàna tao Tsimafana, distrikan’i Belo/Tsiribihina, faritra Menabe, izay maty notifirin'ny zandary avy ao amin'ny Groupement Morondava ny 13 febroary 2024 lasa teo. Tsy rariny sy tsy nanara-dalàna ny nitifirana ny havanay, hoy izy ireo, satria ny zava-nisy dia olona efa teo am-pelatanan'ny zandary efa 3 andro io olona io ka raha ny lalàna izay misy eto amintsika dia tokony ho natolotra ny fitsarana izy raha nisy fandikan-dalàna nataony na tsia. Ny fitsarana no manameloka raha nisy ny porofon’ny fiampangana azy. Tsy tokony ho novonoina toy ny nataon’ireo mpitandro filaminana ny havanay, hoy ny fanambarana. Tsy izay ny zava-nisy, hoy ny fanambarana , fa efa nikasa ny hamono azy mihitsy izy ireo. Efa voatana tao Morondava ny ben’ny tanànan’i Tsimafana satria tao an-drenivohitr’i Menabe izy no tokony ho niakatra fampanoavana na «déférer» nefa naninona indray no nentina nivoaka ny tanàna dia avy eo notifirina? Tsy ny lalàna intsony araka izany no ampiharina ato Menabe amin'izao fotoana fa fanatanterahana ny baikon'ny eveka iray izay efa tsy manao ny asa izay ampanaovin'ny eglizy azy intsony fa lasa mirona amin'ny politika. Ny mpitandro filaminana ao Menabe dia efa nisy nanambara ny volana janoary lasa teo, tao amin’ny Radio Fanasina an’ny diosezy, fa lehibem-piangonana no anisan’ny mpaniraka azy. Miangavy ny tomponandraikitra izahay fianakaviana hijery akaiky ny momba ity raharaha ity, hoy hatrany ny fianakaviana miampanga ny evekan’i Morondava.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap