fitazonana bala sy basy tsy ara-dalana
Mitohy hatrany ny ezaka hataon'ny Polisim-pirenena hiadiana amin'ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy. Hoan’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Betsiboka manokana, dia olona miisa telo no voasambotra ny alin’ny sabotsy 30 janoary teo tao Maevatanàna noho ny fitazonana basy sy bala tsy misy taratasy ara-dalàna.Tokony ho tamin'ny 10 ora alina, nandritra ny fisafoana nataon'ny Polisy tao amin'ny Fokotany Ambatofotsy, no nahatsikaritra lehilahy roa nampiahiahy izy ireo. Rehefa nosavaina ireto farany, dia nahitana basy poleta vita gasy iray sy bala miisa telo tany anaty kitapony. Nandritra ny famotorana natao, dia nanambara ny tena tompon'ilay basy izy roalahy. Ity olona fahatelo ity dia tratra tany amin'ny Fokotany Antanambao. Nentina avy hatrany any amin'ny Kaomisaria izy telo lahy ireto mba hatao andrimaso mandritra ny famotorana, ary hatolotra ny Fampanoavana.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireto ry zalahy !
Olon-dratsy 284 voasambotra, 126 fanafihana voasoroka, 1,38 miliara Ar nampidirin’ny pasipaoro,…