airtel

Fandriampahalemana

29-févr-2024

BRICKAVILLE

Mitsangana toy ny olona ilay biby nandratra olona

Sample post image

Mitsangana toy ny olona ilay biby hafahafa mitroka ra any Brickaville.

29-févr-2024

Fotsifotsy madiobe ny orony raha rakotry ny volo kosa ny masony. Na izany aza manana tongotra efatra izy raha araka ny fanazavan’ny Raim-pianakaviana iray izay noratrainy tany an-toerana afak’omaly Talata hariva tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro tao amin’ny Kaominina Ranomainty. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandeha tany an-tsaha io Raim-pianakaviana io. Nijoko azy avy any aoriana ilay biby nandritra izany ka voatery nampiasa ny antsy teny an-tanany izy. Mba niaro tena koa anefa ilay biby ka ny tongony no norangotiny mafy. Lava hohobe mantsy ity biby ity raha araka ny fanazavany hatrany. Niady mihitsy izy roalahy nandritra izany saingy samy nitady lalana nanavotra ny ainy taorian’izay. Raha vantany vao tonga tany an-tokantranony anefa ilay lehilahy dia nihamafy ny fanaintainan’ilay tongony ka torana izy, antony nitondra azy tao amin’ny hopitaly CHRD Brickaville. Na izany aza efa nivoaka soa aman-tsara ny anaolahy. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana moa ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana mba hahafahana misambotra ity biby ity na maty na velona fa tena mampahory vahoaka loatra.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap