airtel

Fandriampahalemana

07-déc-2022

Fandriampahalemana

Brickaville Mpangalatra taolam-paty 5 lahy no tratra

Sample post image

Lehilahy miisa 05 indray no saron'ny zandary avy ao amin'ny Poste Avancé Antsampanana distrikan'i Brickaville afak’omaly alatsinainy 05 desambra tokony tamin'ny 11 ora maraina rehefa nangalatra taolam-paty.

07-déc-2022

Loharanom-baovao avy amin'ny olona tsara sitrapo no nahazoana vokatra. Fiara mpitatitra iray mampitohy an'i Mahanoro sy Toamasina no nahatrarana ireo taolam-paty ireo. Natao tao anatina gony dimy ireto farany izao mody nasiana "charbon" sy valizy 02 samy efa feno taolam-paty avokoa. Miisa 397 kosa ireo taolam-paty natao tao ambonin’ny tafon'ilay fiara. Tany amin’ny distrikan’i Nosy Varika tany moa raha araka ny fantatra no nitrangana vaky fasana. Saika hoentina any amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimadinika-Toamasina II, araka izany ireto taolam-paty ireto no izao tra-tehaka izao.Voatery notazonina niaraka tamin'izy dimy lahy mpangalatra taolam-paty ireto araka izany ny mpamilin’ilay fiara sy mpanampy azy, ary nentina nankany amin'ny "Compagnie territoriale de la gendarmerie" Toamasina natao famotorana lalindalina kokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto ireo taolam-paty tratra
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap