toy ny omby ao Brickaville ny eo anivon'ny DRAE Atsinanana (Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy Fiompiana) sy ireo tompon'andraikim-panjakana any an-toerana, hotronin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona.Vahaolana noraisin’izy ireo ny hamandrika ilay biby mpihinana izay heverina ho "Fosa" aloha izy io hatreto. Nisy araka izany ny fandrika (Piège) namboarina manokana tany Toamasina izay nandramana tamin’ny alika ka hita fa nahomby. Ho asiana biby velona toy ny akoho amam-borona ao anatin'io fandrika io, asiana taovan-kena efa misy fofona ihany koa mba hanintona ilay biby hofandrihana. Teknisiana vahiny iray niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana Atsinanana no niketrika azy io.Efa nalefa any Brickaville io fandrika io tamin’ny Alahady teo. Apetraka amin’ny toerana heverina fa hahafahana manatratra azy amin’io fandrika ilay biby no sady nasiana Camera mazava alina ihany koa. Mivory tsy tapaka hatramin’ny Alahady teo ireo tompon'andraikitra voakasika any an-toerana mandinika hatrany ny fitadiavam-bahaolana mahomby kokoa hiarahana amin’ny fokonolona any an-toerana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny endrik’ilay fandrika !
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.