tao amina tokantrano iray tao Bemahatazana, Tsiroanomandidy, ny andian-dahalo iray, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Niantso vonjy ilay tokantrano ka nanao angaredona nifamonjy ny fiarahamonina na dia nirongo basy sy fitaovam-piadiana aza ireto daholo. Tonga ara-potoana ihany koa ny zandary eto an-toerana ka raikitra ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo daholo . Dahalo iray no maty voatifitry ny zandary tao anatin'ny fifandonana raha toa ka nanao tari-dositra ireo dahalo namany rehefa hitan'izy ireo fa tsy ahatohitra ireo zandary tao an-toerana. Tratra niaraka tamin’ity dahalo maty ity teny aminy ny basy lava vita gasy iray ary bala iray. Natolotra ny sefo fokontany ny razana taorian'ny fizahana nataon'ny mpitsabo ary naverina tamin'ny tompony kosa ireo entana norobain'ireto dahalo ireto. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo nitsaoka ireo ary sahanin'ny tobim-paritra Bemahatazana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka
Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora
Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty