airtel

Fandriampahalemana

26-janv-2024

Dahalo sy kidnapping any Ankazobe, Alaotra,…

Mamofona politika maloto sy teti-dratsy avo lenta

Sample post image

Mampiteny ny moana ny trangana tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy.

26-janv-2024

Miseho ny habibiana tsy roa aman-tany : halatra voamaso, fanapahan-doha, fakana an-keriny,… Mahagaga ny zava-mitranga ao amin’ny distrikan’Ankazobe sy ny manodidina izay tena mahavita mihantsy sy mifandrefy amin’ny mpitandro filaminana ny dahalo. Mampahatsiahy ny raharaha Remenabila tany amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy tamin’ny tetezamita izay tsy hita izay tena tohiny sy niafarany, ka toa mikisaka aty afovoan-tany indray io sary io. Nanao ranolava ny fakana an-keriny tamin’ireo distrika sy faritra mifanakaiky dia Ankazobe, Tsaratanana, ny Faritra Alaotra,… Ny itovizan’ireo faritra ireo dia saika misy harena an-kibon’ny tany maro samihafa avokoa ka sao mitombina tokoa ilay hoe : atao izay haha lao monina ny mponina ? Na koa korontanina mba hanodinana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny resaka harena amin’ilay toerana ka hahafana manao afera samihafa ? Na tetika hoentina manala ireo olona amin’ny toerana sy ny tany misy azy mihitsy hakana ny tany na hitrandrahana ny hareny ? Petra-kevitra efa nandeha io tamin’ny raharaha fandorana ny tanànan’Ambolotarakely ny jolay 2022. Ny mahagaga mantsy dia tena mahatoky tena ny dahalo, ary mahavita mifandrefy amin’ny mpitandro filaminana, izay midika fa tsara mpamatsy ihany koa. Taorian’ny nahafatesan’ny ben’ny tanànan’Andranomiely izay efa misy olona voarohirohy miisa 9 nahitana miaramila 5 nidoboka am-ponja, dia mbola nisy indray ny fanafihana nataona dahalo manodidina ny 20 nahafatesana olona 1 sy nakana an-keriny olona 3 tao Talatan’Angavo ny talata 23 janoary. Zaza miisa 3 indray koa no nalaina an-keriny tany Ambatomainty distrikan’Amparafaravola ny alin’ny alarobia hifoha omaly 25 janoary, ka lasa ny vola 4 tapitrisa Ar, ary efa mandeha ny fitakiam-bola. Arakaraka ny fisian’ny hetsika mahery vaika ataon’ny mpitandro ny filaminana no toa vao mainka mahatonga ny dahalo hihantsy, ka ny eo maty sy migadra, ny eo mipoitra ihany,... Tena tsy fandriampahalemana tsotra ve sa tena misy ambadika avo lenta? Ny volana desambra 2023, toa niampanga ny mpanohitra ny Jeneraly Ravalomanana Richard izay filoham-panjakana tamin’izany fa tsy tongatonga ho azy ny fanapahan-doha sy ny « kidnapping », ny dahalo ao Ankazobe fa zavatra volena mba hanomezana sary ratsy fa tsy milamina ny firenena, saingy tsy nisy tamingana mpanohitra nosamborina tamin’izay lafiny izay aloha. Feno ny fahefan’ny mpitondra ankehitriny, afaka mamongotra ny tsy fandriampahalemana saingy tsy izay no sary mitranga. Sao sanatria any anaty Fanjakana no misy ny dahalo ambony latabatra goavana ka mahasarotra ny raharaha ? Sao sanatria ihany koa zavatra iniana volena mba hamoahana volam-panjakana amin’ny hetsika ara-miaramila? Nahoana ny dahalo no mahavita mihantsy sy mifandrefy amin’ny mpitandro filaminana ? Avy aiza ireo fitaovam-piadiana mahery vaika miparitaka sy tonga eny an-tanan’izy ireo ? Sao mba hirika hahalalana ny loharanon’ny fitaovam-piadiana ireny tranga mikasika vadina teo alohan’ny minisitra izay nahatrarana fitaom-piadiana mahery vaika ireny ? Ireny olom-boafidy mizara bala aman’olona ireny ? Fifandrifian-javatra ve ny hoe : ny sasany tamin’ireo mpanao « kidnapping » toy ny tany Alaotra dia nanana fifandraisana akaiky tamin’ny olom-boafidy ka na misy aza ny maty dia misy ny tsy mety voasambotra ary mbola mitohy ny asa ratsy? Fifandrifian-javatra ve ny fisiana olona akaiky ny olom-boafidy voatonontonona tamin’ny raharaha fakana an-keriny?
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap