airtel

Fandriampahalemana

25-févr-2026

DISTRIKAN'AMBOSITRA

Talen-tsekoly nofirain'ny dahalo tamin'ny famaky

Sample post image

Mpampianatra lehilahy iray 29 taona,

25-févr-2026

sady talen-tsekoly any amin'ny EPP Vohitrandriana, ZAP Ambinanindrano voalohany no notafihin'ny dahalo 3 lahy tao an-tokatranony ny Alatsinainy 23 Febroary teo tamin'ny 7 ora sy sasany alina. Naratra nofirain'ireo olon-dratsy tamin'ny famaky ny tarehiny sy ny lohany ary ny tanany. Niezaka nanohitra Ramatoa vadiny nandritra izany ka vaky nandositra ireo dahalo. Vola 117.000 Ariary, Subwoofer, finday miisa 3 ary "Panneau solaire" no lasan' ireo daholo tamin'izany. Niantso vonjy izy mivady ary tsy ela dia vory ny fokonolona saingy efa tafaporitsaka ireo tsy mataho-tody. Efa nentin'ny mponina sy ny tompon'andraikitra namonjy toeram-pitsaboana ny naratra. Tsiahivina moa fa olana goavana sedrain'ireo mpampianatra any ambanivohitra amin'izao ny hakelezan'ny karama raisiny nefa mbola hataon'ny dahalo mahita faisana ihany.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny fahoriana mianjady amin'ireo mpampianatra any ambanivohitra !
 

Dans la même rubrique