airtel

Fandriampahalemana

17-févr-2025

Distrikan'i Farafangana

Ny namany ihany no nanapa-doha ilay dahalo

Sample post image

Nisy ny zavatra tsy nifanarahana teo amin'ny samy dahalo ka tsisy alaharo alaharo fa tonga

17-févr-2025

dia fanapahan-doha ny setriny.Hita faty tao Andranovily amoron'i Manampatra Ambohimandroso ny lehilahy antsoina hoe Danny ny 13 febroary lasa teo, efa tapa-doha.Raha ny fampitam-baovaon'ny zandarimariam-pirenena avy any amin'iny faritra atsimo atsinanan'ny nosy iny ka 3 lahy ireo nahavanona ny loza ary nisy nahita maso fa niaraka tamin'izy ireo. Efa tratra i VICO isan'ireo 3 nahavanona ny loza ary voatifitry ny miaramila tany Ambanato Vohimasy fa saika hangalatra omby. Mpinamana tsy mifankafoy izy ireo hoy ny mana-manjo ary efa hikohizana amin'ny fifohana rongony sy halatr'omby.Ny 13 Ffebroary 2025 tokony ho tamin'ny 11 ora alina dia tratran'ny fokonolona sy zandary tao Etrotroka i Oscora na Iaban'i Tovo 28 taona, sy i Tata Manahaky Berthin na Iaban'i Iasin. Samy monina ao Etrotroka Ambohimandroso, distrikan'i Farafangana. Ny 14 febroary 2025 tamin'ny 4 ora maraina izy ireo no nentina hiakatra any amin'ny Borigady Farafangana saingy teo Belambo dia nanao ny heriny rehetra nandosirana avy teny ambony moto izy roalahy.Natao daholo ny feo mahery sy ny tifi-danitra hampijanona azy ireo fa tsy nampiova ny heviny izany ka voatery nitifitra ny zandary. Voatifitra ary maty noho ny rà bé loatra very i Oscar sy Tata.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap