airtel

Fandriampahalemana

29-août-2022

Fandriampahalemana

Fakana an-keriny an’i Lalaina tany Itasy Ilay mpanampy ihany no nahavanon-doza

Sample post image

Hita soamantsara ny Sabotsy 27 aogositra teo tany Ikianja Ambohimangakely i Lalaina 12 taona ilay zazavavy kely nisy naka an-keriny tany Ambohitraivo Ambohidanerana , distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy.

29-août-2022

Raha tsiahivina dia tamin’ny 09 aogositra lasa teo no nanjavona ity zazavavy kely ity.Fantatra fa lehilahy mpanampy tao antranon-dRay aman-dReniny ihany no naka an’i Lalaina ary nitaky vola 50 tapitrisa Ar tamin'ny alalan'ny antso an-telefaonina afaka telo andro. Notsirihina tamin'ny tambazotram-pifandraisana sy tsongodia ara-toerana ilay laharana niavian'ny antso ary sarona tamin'izany tovolahy iray hafa mpifandray amin'ilay mpanampy matetika. Tra-tehaka tao an-tranona vehivavy roa mpiray tsikombakomba tao Ankadivory fokontany Antanetibe Ikianja kaominina Ambohimangakely ity farany, izay nanoro ny toerana misy ilay zaza sy ilay mpanampy naka an-keriny sy nanao takalon'aina azy. Nentina nozahana teny amin'ny toeram-pitsaboana ilay zaza ary hita fa salama tsy manahy ka nomena ny Ray aman-dReniny ; raha natao andrimaso ho amin'ny famotorana lalina kosa ireo olona 4 nahavanon-doza mialohan’ ny hanolorana azy eo anatrehan'ny Fitsarana. Niaiky ny heloka vitany avokoa ireo olona 4 voarohirohy. Marihina fa tsy misy na ariary azon'izy ireo satria tsy nandoa vola sandan'ny famotsorana ny takalon'aina ireo Ray aman-dReny fa natoky tanteraka ny fahaizamanaon'ireo zandary nanao famotorana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza efa eo ankohonan’ny Ray aman-dReniny
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap