airtel

Fandriampahalemana

05-déc-2024

Famitahana sy fanolanana tovovavy iray

Sefom-pokontany ilay iray tamin’ireo telo tompon’antoka

Sample post image

Tovovavy iray 23 taona no nofitahina sy naolana lehilahy miisa telo, andro maromaro lasa izay teny Ambohidratrimo.

05-déc-2024

Nifandimbiasan'izy ireo io tovovavy io rehefa avy nofitahina tamin'ny alalan'ny kaonty vorondolo tao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Nisandoka ho vazaha io kaonty vorondolo io ary nanao izay nambabo ny fon'ity tovovavy ity am-bolana. Efa tonga hatrany amin’ny fakàna vady mihitsy ny resaka nandritra izany. Rehefa nifanao fotoana izy ireo dia nilaza ilay nisandoka ho vazaha fa hanaraka ireo mpiasany ka hitsena ilay tovovavy amin'ny moto. Ny 15 Oktobra teo manodidina ny tamin'ny 09 ora alina no noentin'ilay moto ilay tovovavy. Rehefa tonga teo Andranotapahina anefa dia nisy roalahy niandry ilay moto ary efa nilanja tady izy ireo. Avy hatrany dia nataon'izy telolahy izay namatorana sy nampidabohana ilay tovovavy tamin'ny tany ary nanamparan'izy ireo ny filan-dratsiny. Efa nalemy sy naratra ilay tovovavy vao navelan'izy ireo. Filoham-pokontany ao anatin’ny kaominina Ivato moa ny iray amin’izy ireo izay marihina fa efa nalefa eny Antanimora tamin’ny datin’ny 02 Desambra lasa teo avokoa. Mbola hangatahin’ny fianakavian’ilay tovovavy moa ny handefasana azy ireo any Tsiafahy.
Pati
Legende : Efa maka saina any Antanimora izy telolahy ireto !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap