tao Ambolomadinika Toamasina ny datin’ny 04 Martsa lasa teo. Tratra tao Tsarakofafa ilay iray vao 23 taona monja ny Zoma 14 Martsa teo. Tany Tetezambaro kosa no tratra ny iray 21 taona rehefa niafina tany Fenoarivo Atsinanana nandritra ny andro maromaro. Rehefa nanontaniana ny tena antony namonoany an’Itompokolahy izy ireo raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana dia nilaza fa namaly ny fanendahana nataony i Tahiana ka niteraka fahasorenana ho azy ireo. Na izany aza dia tsy nanaiky ireo havan’Itompokolahy. Amin’izy ireo mantsy dia nisy naniraka izy roalahy ireto ka takian’izy ireo ny hivoahan’ny tena marina. Olona efa tonga tao an-trano ary nivoaka nividy yaourt Itompokolahy no nambaran’izy ireo fa nendahina ary notsatotsatohana tsy nananana hantra tamin’ny antsy. Mbola miantso ny Fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana hikaroka ny tena marina araka izany ny fianakavian’ny maty. Raha araka ny loharanom-baovao farany moa dia efa navotsotra avokoa ireo olona miisa 8 voarohirohy tamin’ity raharaha vono olona ity.
Pati
Legende : Sady namono olona no nanimba ny fiainany izy roalahy ireto !
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.