raharaha famonoana ny Ben’ny tanànan’Andranomiely anatin’ny distrikan’Ankazobe, araka ny fampitam-baovaovaon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any an-toerana. Raha tsiahivina ny zava-misy, dia maty notofirin'ny dahalo tao an-tokatranony io ben’ny tanàna ion y 7 janoary lasa teo. Voampanga 08 nahitana miaramila 5, lehiben'ny Fokotany, olo-tsotra no efa nampidirana am-ponja vonjimaika tamin'izao raharaha. Nitohy ny fanadihadiana nataon'ny Compangie Gendarmerie Nationale Ankazobe, miaraka miasa akaiky tamin’ny Section de Recherche Criminelle Gendarmerie Fiadanana ka olona 24 hafa indray nosamborina. Isan'izany ny Lefitry ny Ben'ny Tanana tao an-toerana izay ahiahiana fa atidoha nikotrika ny famonoana. Nenjehina ho mpiray tsikombakomba tamin'ny famonoan' olona nomaniny na « complicité d'assassinat » izy 24 ireo, hoy ny fampitam-baovao. Vokany, noatazomina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy 15, Lehilahy iray (01) sy vehivavy 07 kosa ao amin'ny Fonjabe Ankazobe, vehivavy iray (01) no natao fanaraha-maso ara-pitsarana. Sazy asa an-terivozina mandra-pahafy no voafaritry ny lalàna amin'ny fanenjehina toy itony raha voafaritry ny Fitsarana ady bevava ny mahameloka ny Voampanga. Mitohy hatrany ny famotorana ny raharaha eo anivon'ny Mpitsara Mpanao famotorana eto amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Ankazobe, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Toky R
Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka
Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora
Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty