airtel

Fandriampahalemana

23-janv-2024

Famonoana ny ben’ny

tanànan’Andranomiely Olona miisa 9 no hiakatra fampanoavana

Sample post image

Olona miisa 9 no hiakatra fampanoavana na “parquet”

23-janv-2024

anio talata 23 janoary 2024 mikasika ilay raharaha famonoana ny ben’ny tanànan’Andranomiely, distrikan’Ankazobe, nitranga ny 7 janoary teo tany an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray. Mpitandro filaminana ny 5 amin’ireo, sefom-pokontany 2, ary vehivavy ny 2 izay olon-tsotra. Vokatry ny fanafihan-dahalo voalaza ho nanao fanamiana mpitandro filaminana ary am-polony nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika nanafika ity tanàna voalaza teo ity moa, raha tsiahivina, no naha lavo ity ben’ny tanàna ity. Vono olona an-kitsirano fotsiny izao, dia ilay ben’ny tanàna, no nataon’ireto olon-dratsy ireto fa tsy nisy na inona na inona nalainy, raha ny tsiahim-baovao hatrany.
EFA FANTATRA IREO OLON-DRATSY…
Nampiahiahy ny fianankaviana ny fisiana miaramila natory tao amin’izy ireo tamin’io fotoana io, izay nomarihin’izy ireo fa afaka nitifitra kanefa tsy nanao izany. « Fantatra tsara satria voamarina tamin’ny alalan’ny findan’ilay dahalo maty fa naman’i Yarisy (efa maty) atidohan’ny asan-dahalo tany amin’iny faritra Ankazobe sy tany amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny no atidohan’ity famonoana ity », hoy kosa ny mpitandro filaminana. Efa anatin’ny fikarohana azy izahay, ary miandry ny vokatra isika, hoy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Tsy ny famonoana ireo mpitandro ny filaminana ihany noho izany no maha voarohirohy ireo olona 9 raha ny fanazavana fa eo ihany koa ny tsy fandriampahalemana amin’ny ankampobeny. Voalaza fa iray tarika tamin’ireo nandoro tanàna ka nahafatesana olona 32 tany Ambolotarakely tamin’ny 29 jolay 2022 ihany koa no nanao an’ity famonoana ben’ny tanàna ity.
J. Mirija/ Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap