airtel

Fandriampahalemana

26-févr-2025

Famonoana teratany vahiny

Sosotra mafy ireo Koreanina eto Madagasikara

Sample post image

Tontosa omaly teny amin’ny Fasan’ny Karana ny fandorana ireo teratany Koreanina tao Dobon'i Tanjaka,

26-févr-2025

fokontany Marovoay, kaominin'i Morarano Gara, distrikan'i Moramanga ny alin'ny zoma 21 febroary hifoha ny sabotsy. Naneho ny alahelony sy ny fahasosorany ireo Koreanina eto amintsika omaly. « Na inona na inona ataonareo dia mba mangataka izahay ny hanatrarana izay olona nahavanona izao zava-doza izao. Ny Koreanina eto Madagasikara dia tsy hamela an’io ho vita mora fa hiasa ary hangataka fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana Malagasy hahatrarana izay nanao ny ratsy », hoy Filohan’ny Fikambanan’ireo Koreanina eto Madagasikara. Tsy hipetra-potsiny ireo Koreanina sy ny masoivohony eto. Raha hiverenana, 7 lahy nitondra basim-borona iray no nanafika ny orinasan'izy ireo (mpamboly macadamia), ka namono ireo mpianaka 88 taona sy 58 taona. Voalaza fa nalaina ny vola 3 000 000Ar, araka ny vaovao tsy ofisialy sy vonjimaika. Nahitàna vodim-bala calibre 12 anankiroa teo an-toerana. Efa natolotra ny vola kanefa mbola nododaina tamin’ny vato ny iray. Ny mpamily no niantso ny mpitandro ny filaminana, ary ny zanany vavy no nampandre ny masoivohon-dry zareo eto, raha ny fanampim-panazavana. Mpilatsaka an-tsitrapo na « missionaires » tonga hampiofana amin ny fambolem-bary ireo novonoina ireo, ary vao avy nividy na nanofa tany 40 ha sy nanafatra fitaovana maro voalaza fa efa tonga eto Madagasikara. Miteraka laza ratsy ho an’i Madagasikara indrindra amin’ny lafiny fampiasam-bola sy fandraharahana na « climat des affaires » no tahaka izao, mametraka antsika ho Firenena atahorana sy mampanahy amin’ny fiarovana ireo vahiny. Manampy trotraka izany ny laza ratsy amin’ny lafiny kolikoly, tsy fanajana zon’olombelona, Fanjakana ratsy tantana,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap