eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy taorian'ny fanadihadiana lalina mikasika ilay tranga famonoana zaza mañana toe-tena varira tany Toliara farany teo. Na izany aza mbola mangataka fanadihadiana lalina ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin'ny filoha nasionaliny Atoa Soja Fulgence. Nisy anarana solombavambahoaka voatonontonina mantsy nandritra iny raharaha iny raha toraka izany ihany koa ny tera-tany Sri-lankais iray. Ho an'Atoa Soja Fulgence dia tokony hijinja ny nafafiny avokoa ireo mpanao ratsy rehetra, indrindra fa ireo tena ati-doha fa tsy ny sasantsasany ihany. Ankoatra izay dia mangataka ny hivoahan'ny marina mikasika ny raharaha fakana an-keriny zaza varira tany Mampikony sy Marovoay ihany koa ny tenany. Mbola tsy tafakatra eo anivon'ny Fitsarana eto Antananarivo mantsy ireo raharaha ireo. Nanamarika moa ny Filohan'ny fikambanana Albinos Madagascar fa mety mbola misy hifandraisany amin'ny halatra sy vono olona mitranga eny anivon'ny fiaraha-monina ankehitriny ny fakana an-keriny zaza varira hatramin'izay.
Pati
Légende : Atoa Soja Fulgence, Filohan'ny fikambanana Albinos Madagascar !