Andranomanelatra sy Faratsiho
Notoloran'ny Fanjakana moto miisa 2 ny Brigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Antsirabe zaraina ho an’ny poste avance ao Andranomanelatra sy Sahanivotry. Miisa 3 kosa no natolotra ho an’ny borigady ao Faratsiho niampy solosaina iray. Ireo fitaovana ireo dia ho entina hanatsarana sy hanafainganana ny asa mipàka any amin'ny vahoaka. Ireo zandary miantsehatra any ambanivohitra lavitry ny arabe vita tara mantsy dia manao dia an-tongotra rehefa misy iraka sy asa atao hany ka tara kava rehefa tsy misy fitaovana. Angady nananana izany ny famatsiam-bolan’ny CIAD izay tantanan'ny Solombavam-bahoaka. Ireo Solom-bavam-bahoaka mirahalahy voafidy tao Antsirabe II sy ny lehiben'ny Distrikan’Antsirabe II no nanolotra izany ho an'Andranomanelatra. Ny Solom-bavam-bahoakan'i Faratsiho sy ny lehiben'ny Distrikan'i Faratsiho kosa no nanolotra ireo fitaovana ho an'ny Borigadin’i Faratsiho. Notoloran'ny zandarimaria medaly ireo manam-pahefana any an-toerana nandritra ny fanolorana ny fitaovana. Ankoatra izay dia zandary miisa 4 ihany koa no notolorana medaly ho fankasitrahana azy ireo tamin'ny asa vitany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ireo fitaovana !