airtel

Fandriampahalemana

22-janv-2024

Fanafihana cash point tao Toliara

2 lavon’ny polisy, lasa ny 12 tapitrisa Ar

Sample post image

Jiolahy miisa roa mirongo basy sy sabatra ary antsy avy nanafika cash point

22-janv-2024

no lavon'ny polisy ao avy ao Antaravay Toliara ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay fitarainana ny Polisin'ny PPA Antaravay miasa eo amin'ny barazy Antsokobory ny Zoma 19 Janoary tokony ho tamin'ny 06ora hariva fa misy vehivavy iray tompona cash point iray ao Anketa norobain'ny jiolahy telo mirongo basy sy sabatra ary antsy. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy nijery ny zava-misy ka raikitra ny fanenjehana ireo jiolahy telolahy. Nampitandrina azy ireo mba hijanona ny Polisy saingy nitifitra avy hatrany ireo jiolahy. Voatery nitifitra ihany koa ny Polisy noho izany. Vokany, lavo nandritra izany fifampitifirana izany ny jiolahy roa raha tafaporitsaka ny iray. Mbola hita teny amin'ireo jiolahy roa lavo ireo ny fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy iray sabatra iray ary antsy iray. Lasan'ilay iray tafaporitsaka kosa ny vola mitentina 12. 000. 000 Ar niampy finday miisa dimy sy portefeuille iray.
Pati
Legende : Nafatratra tao anatin’ny fiaran’ny polisy tahaka izao izy roalahy mpangalatra !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap